Ony House : Ivontoerana hanandratra ny talentan’ny tanora

Tosi-tanana ho an’ny tanora manan-talenta ny fisian’ny tetikasa Ony sy ny Ony House. Hisahana manokana ny fanofanana sy ny tari-dia, mba hamadihana ireo tetikasa manodidina ny zavakanto ho lasa fidiram-bola ny ivontoerana.

Natokana ho an’ny famoronana, ny fanofanana ary ny fandraharahana manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina. Ivontoerana vaovao, manana tanjona ny hanandratra ny talentan’ireo tanora mpanakanto ny Ony House etsy Ambatobe. Hoto­kanana ny sabotsy 19 oktobra izao ny toerana, izay natokana ho an’ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana eto Madagasikara.
Ny Ony House no vaovao, fa ny tetikasa Ony kosa efa nanomboka ela. Hasongadina amin’io lanonam-panokafana io ireo tanora manan-talenta sy ireo mpandraharaha manodidina ny zavakanto maherin’ ny 50, izay efa narahin’ny tetikasa hatramin’izay. Hisy ny fampisehoana “jeux videos”, hira ary ny ampahana fandraisana an-tsary sarimihetsika, amin’io. Eo koa ny fihaonana amin’ireo vahiny sy Malagasy matihanina, mahakasika ny sehatry ny indostrian’ny zavakanto sy ny famoronana.
Hanome vahana ireo tetikasa mahakasika ny mozika, ny sarimihetsika, ny “jeux videos”, sns, ny Ony House. Hatreto, manana trano fandraisam-peo, efitrano fiketrehana sarimihetsika sy sarimiaina ary efitrano fiofanana ny toerana. Ny herinandro voalohan’ny fisokafana, hisy ny fampiofanana homena ireo tanora. Anisan’reo mpampiofana ilay frantsay mpanakanto Orelsan. Anisan’ireo mpano­rina ny fikambanana Ony raha­teo izy, ka hisahana ny masterclass momba ny fanoratana tantara ho an’ny sarimihetsika. Hizara ny traikefany mandritra izany ihany koa i Frédéric Lachaize, talen’ny “Sun Ska Festival”. Ny manodidina ny tsenan’ny mozika any ivelany no hozarainy amin’ireo mpiofana. Hosahanin’i Maxime Delauney, izay nanagana ny Nolita Productions kosa ny lohahevitra famokarana sarimihetsika sy ny tena anjara andraikitry ny mpanatontosa.
Marihina fa hisy ny fampisehoana izay hataon’ny mpanao slam, i Kayla, ny tarika Spirits ary i Marko Clarke amin’ io lanonam-panokafana io.

Zo ny Aina

Partager sur: