Farany ary manana isa 0, amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja rugby, sokajy vehivavy « WXV III », izay tontosaina any Dubaï, ny Makis Ladies, amin’izao fotoana. Ny zoma ho avy izao moa ity ekipam-pirenena malagasy ity no hifanandrina amin’i Samoa.
Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, tonga omaly any Maroc ry Rojo sy Berajo, Malagasy mila ravinahitra atsy La Réunion. Afakomaly kosa ry Marco sy i Loic Lapoussin, ary Rayan Raveloson no tonga any an-toerana.
Mitohy amin’ny alahady ho avy izao, eny amin’ ny Kianjan’ny Makis annexe Andohatapenaka, ny fifanintsanana rugby izay karakarain’ny kaomisionina rezionaly Analamanga. Hisy fifanandrinana efatra handeha eny
an-toerana, araka ny vaovao navoakan’ny Malagasy rugby, omaly.
Nanapa-kevitra ny tsy hilalao baolina kitra amin’ ny sehatra matihanina intsony i Andrés Iniesta, espaniola. 40 taona ny tenany izao handeha hisotro ronono izao. Tsiahivina fa efa niaraka nilalao tamin’i Lionel Messi, kalaza arzantinina tao amin’ny FC Barcelone, i Iniesta. Efa nahazo ny amboara maneran-tany sy ny LDC ary ny amboaran’i Espagne.