VAOVAO TAMBATRA

Nihena ho 4 300Ar ny kilaon’ny siramamy mena raha toa ka 4 800Ar izany teo aloha. Maha­velombolo ny mpanjifa, indrindra ny fitantanana isan-tokantrano, ny zava-misy. Tsiahivina fa efa tafakatra hatrany amin’ny 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy tamin’ny taon-dasa ka nampikaikaika ny mponina.

Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara ireo vary nafarana avy any Pakistan milanja 11 taonina. Andrasana ihany koa ny sambo iray hafa hitondra vary 10 000 taonina. Ampy hiatrehana ny maitsoahitra ny tahirim-bary ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Antenaina fa hampidina ny vidim-bary any an-toerana ireto vary tonga ireto.

Miantso ny mpandoa hetra hanavao sy hanamarina ny mombamomba azy ao amin’ny sehatra Nifonlina ny Foibe ankapoben’ny hetra (DGI). Manana iray volana ireo voakasika hanamarina na koa hanitsiana izay mety ho diso. Hitsahatra kosa ny « numéro d’identification fiscale » (NIF) an’ireo mpandoa hetra ahitana fahadisoana na fahabangana.

Hapetraka ao Ambohibary Moramanga ny faritra indostrialy mirefy 683 ha hamokatra lamba. Tanjona ny hampitombo ny anjara toeran’ny indostria ho 25 % eo amin’ny harinkarena faobe (PIB) sy hampiroboroboana ny vita malagasy. Kendrena manokana ny ampiasana ny teknolojia sy ny fahaiza-manao ao anatin’ny tetikasa. Maherin’ny 100 000 ny asa hiforona.

Partager sur: