“Taloha, rehefa miresaka ady amin’ny kolikoly: tsy jerena loatra ny fiantraikany amin’ ny zon’olombelona. Nefa misy fiantraikany be dia be ny tsy fahazoan’ny vahoaka ny zony, araka ny Lalàmpanorenana: any amin’ny fampianarana, ohatra, ny fahasalamana, ny fitsarana, ny fananan-tany”. Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Bianco, Ambohibao, omaly. Nanomboka omaly ny atrikasa araka ny lohahevitra handrafetana ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly, 2025-2030.
Fampiasana taratasy hosoka eny amin’ny fitsarana
Any amin’ny fitsarana, matetika fanaovana sy fampiasana taratasy hosoka ny raharaha kolikoly, ny fangalarana ny mombamomba ny olona. Matetika, tsy misitraka ny zony ny zaza sy ny vehivavy, fa tsy manana taratasy. Izay no hojerena manokana. Manomboka izao, hiara-miasa ny rafitra miady amin’ny kolikoly sy ny rafitra miady amin’ny fiarovana ny zon’olombelona. Hifanatona ny avy amin’ny Haut-Commissariat aux droits de l’homme (HCDH) eo anivon’ny ONU sy ireo rafitra miady
amin’ny kolikoly.
R. Nd.