Basikety-YOUTH CAMP 2024 : tanora 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Hatao manomboka ny 14 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Afrika Youth Camp 2024”, taranja basikety. Manana solontena efatra mianadahy i Madagasikara.

Nampahafatarin’ny Fede­rasiona malagasy, ta­min’ny alalan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, ny talata lasa teo ireo tanora efatra mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fiofanana karakarain’ny Fiba Afrika miaraka amin’ny NBA. Mpanazatra sy Tekni­siana maro avy amin’ny Fiba Afrika sy NBA no hizara fahaiza-manao, fampianarana teknikan’ny Basikety ary fanazaran-tena sy fanomanana ara-batana ho an’ireo mpilalao tanora latsaky ny 18 taona. Federasiona afrikanina maro no manana solontena amin’ity fiofanana ity.
Raha ny fandaharam-potoana, ny 14 hatramin’ny 17 oktobra 2024, any Douala Cameroun no hanatanterahana ny Fiba Africa Regional Youth Camp ho an’ny sokajy zazalahy. Manana mpilalao miisa 2 hiatrika izany i Madagasikara. Ny 21 hatramin’ny 24 oktobra ho avy izao any Abidjan Côte d’ivoire kosa, ho an’ny sokajy zazavavy izay handraisan’i Mada­gasikara anjara ihany koa, amin’ny alalan’ny mpilalao miisa 2 miampy mpanazatra iray.
Hahafahan’ireo mpilalao basikety malagasy maka traikefa sy misokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fiofanana toy izao. Tanora voafantina no miatrika izany, raha ny fanazavana hatrany.

Mi.Raz

Ireo solontena malagasy 4 mianadahy
1-HANAFFY Ivan Abdoul (JSB Boeny )
2-RAKOTOZAFY Tsiory Ulrick (ASSM Analamanga)
3-RASOARINIAINA Tantely (FANDRASA Matsiatra Ambony)
4-RABENIAMINA Kaloniaina Tiffany (MB2ALL Analamanga )
Mpanazatra: RALAIVAO Felana

Partager sur: