INDRAY MIJERY

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tao amin’ny toeram-piasany ny filoha mpanorina ny ONG Malagasy mobilisés pour l’action (Mamoa), Ratsimbazafy Yasser Gerardain, tamin’ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny famahana ny olan’ny rano eny anivon’ny «Cités universitaires» Ankatso ny fihaonana. Hitondra vahaolana ny ONG Mamoa ka hisy fidinana ifotony tsy ho ela eny Ankatso, hiarahana amin’ireo teknisianina avy ao amin’ ny fikambanana.
Ny 10 hatramin’ny 13 oktobra izao ny hetsika ataon’ireo orinasa miantsehatra amin’ny fahadiovana sy fidiovana ary ny fanadiovana hatao etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Ma­ha­masina. Eo koa ireo orinasa mpanodina fako izay hampahafantatra ny voka-tsoa amin’ny fanavahana ny karazam-pako….
Manao fanentanana amin’ny fisorohana ny aretina bilarziozy ny minisiteran’ny Fahasalamana. Ilaina ny fanajana ny tetiandron’ny fihinanana odikankana. Rano madio no ampiasaina hanasana tanana sy ny fitaovan-dakozia ary ny akanjo… Zava-dehibe ny miompy ganagana mba hihinanany ny sifotra mitahiry ny karazan-kankana bilarziozy.
“Ny hypoglycémie sy ny hyperglycémie” indray no lohahevitra hifampizarana ho an’ireo olona manana toe-tena diabetika, izay hatao eny amin’ny Amadia amin’ ny sabotsy izao. Ireo ankizy sy ny tanora manana izany toe-tena izany no entanina hanaraka ny fampianarana. Saro-pady ary sokajiana ho marefo ireo olona diabetika.

Partager sur: