Hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Ireo no tanjona apetraky ny Première Agence de Microfinance (PAMF). Laharaham-pahamehany ny hanamorana ny fikirakirana vola eto Madagasikara, ny hampiroborobo ny toekarena sy hanakaiky ny mpanjifa indrindra ireo toerana any an-tany lavitra. «Tanjona ny hahamatihanina ny fifandraisana amin’ny mpanjifa», hoy ny tale jeneralin’ny PAMF, Ratsimbazafy Guy, omaly, nandritra ny fanokanana ny masoivoho vaovao, ny banky etsy Ivandry, ho mariky ny dingana efa vitany sy ireo mbola ho avy. Nomarihiny fa miroso amin’ny fampiasana ny niomerika ny banky ka mametraka ny tolotra maitso ho ivon’ny fomba fiasany.
Tolotra
Nanolotra ireo fitaovana niomerika hikirakirana ireo tolotra samihafa ihany koa ny PAMF nandritra ny lanonana «Digital Era», omaly hariva. Anisan’izany ny Whatsapp Banking transactionnel, Messenger Banking «Al-na» ary ny «Net-Tsara». Hanamora ny fitantanana ny kaontin’ ireo mpanjifa ny tolotra ary azo ampiasana amin’ny fotoana rehetra. Nasongadina manokana ihany koa ny tolotra «m-kajy» izay efa nisy hatramin’ny taona 2018. Tsy latsa-danja amin’izany ny «i-indrana 643» hahafahan’ny mpanjifa misitraka ireo findramam-bola ka tsy voatery hanatona ny masoivoho. Vokatra vaovao entin’ny PAMF eo amin’ ny sehatry ny tontolo ara-bola ireo tolotra omeny ka hanaovany laharaham-pahamehany ny vinan’ny tsirairay.
Henintsoa H.