Hotanterahina ny 16 hatramin’ny 24 oktobra 2024, ao amin’ny Espace F. DELAGE – Asnières-sur-Seine, Frantsa, ny « Salon Artistique Biennal Arts sur scène », andiany fahavalo. Hetsika fampirantiana sary isaky ny karazany avy izy ity, handraisan’ireo mpanakanto mpanao sary isan-tsokajiny, miisa 58, avy amin’ny firenena maro. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Jean Andrianaivo Ravelona, Malagasy mpanakanto mpanao sary hosodoko. Hetsika eo amin’ny tontolon’ny sary anisan’ny manana ny maha izy azy, maneran-tany izy ity. Hampiavaka ity andiany fahavalo ity ny fandraisan’anjaran’i Louis Froidevaux, izay mpanao sary sokitra malaza sy manana ny maha izy azy maneran-tany.
Anisan’ny fotoan-dehibe, ho an’ny mpanakanto, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny sary hosodoko sy sary sokitra, ny « Salon Artistique Biennal Arts sur scene ». Ho an’i Jean Andrianaivo Ravelona, izay handray anjara, hampahafantatra an’i Madagasikara amin’ireo mpanatrika ny tenany, izay amin’ny alalan’ny sary hosodokony izany. Ny asan-tanany “Lovakolo anatirova” no nosafidian’i Jean Andrianaivo Ravelona haranty mandritra ny hetsika.
Tombony lehibe ho an’ny mpanakanto ny fandraisan’anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena sahala amin’ny izao. Ankoatra ny fivelarana zavakanto eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, misy ihany koa ny fahaiza-manao sy traikefa azo avy amin’ireo mpanakanto hafa firenena manana ny mampiavaka azy.
Lin