Hatao ny 2 sy 3 novambra izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hop”, ho an’ny taona 2024. Ekipa 96 izay mitsinjara sokajy 3 (U17 lahy sy vavy, U23 lahy sy vavy, Elite lahy sy vavy) no andrasana. Mpilalao 8 avy no hifaninana ao amin’ny Elite lahy sy vavy, mpilalao 16 ho an’ny sokajy U23, vehivavy, raha toa ka 32 ho an’ny U23, lehilahy. Eo amin’ny sokajy U17 kosa, manana ekipa 16 avy ny sokajy lahy sy vavy. Ao anatin’ny sokajy Elite no hampilalaovina ny ekipa voafantina Ankoay 3×3, araka ny fanazavan’ny mpikarakara dia ny RDJ, iaraha-misalahy amin’ny FMBB.
Tsiahivina, hitiliana izay mpilalao hiatrika ny “Africa Cup 3×3”, hanomboka ny 28 novambra izao, ity fifaninanana “Alley Hoop” ity. Hampiavaka azy ity ny fampiasana ireo fitaovana teknika rehetra ho an’ny basikety 3×3, toy ny “compte playfiba” ho an’ny mpilalao, ny “écran” lehibe fampisehoana ny isa, ny fandraketana ny lalao, sy ny maro hafa.
Mi.Raz