« Can 2025 » : hifandona amin’i Gambie ny Barea de Madagascar

Hiditra an-tsehatra androany, mandritra ny andro fahatelo sy fahefatra hiadiana tapakila amin’ny “Can Maroc 2025”, any Maroc, ny ekipa nasionaly malagasy Barea de Madagascar. Hifandona amin-dry zareo amin’izany ny Scorpion Gambianina.

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Stade El Arbi Zaouli Maroc, ny lalao ihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy Barea sy ny Scorpion de Gambie. Fifa­nandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana afrikanina, “Can Maroc 2025”.
Raha tsiahivina, mpilalao 27 no nantsoin-dRakotondra­be Romuald Felix, ny Coach Rôrô, Malagasy mpanazatra Barea, hifandona amin’ireto gambianina ireto. Tsara marihina fa tsy maintsy maka fandresena ny ekipa nasionaly malagasy amin’ity lalao ity, izy ireo no laharana farany ao anaty vondrona « A ». Ma­na­na isa iray ny Malagasy mpilalao. Mitovy isa amin’ny Barea ihany koa i Gambie, saingy manantombo amin’ny baolina tafiditra.
Ny alatsinainy ho avy izao, hanaovana ny andro fahefatra, ka hiverina hidona indray ireto firenena roa ireto, any amin’ny kianja El Abdi.
Tsara ny mampahafantatra fa ankoatra an’i Gambie, miray sokajy amin’ny Barea i Comores sy i Tunisie.

Mpitsara ongadey
Tontosa omaly, tany Ma­roc ihany, ny fivoriana ara-teknika amin’ity fifanandrinan’ny Barea sy ny Scorpion de Gambie ity. Araka ny vaovao voaray tany an-toerana, ireo mpitsara efatra mirahalahy avy any Ouganda no hitantana ny fihaonan’ny roa tonta. Hanao ny fanamiana maintso rano iray ny Malagasy. Efa tonga avokoa ny delegasiona rehetra ankoatra an’i Carolus sy i Tendry, lohalaharana Barea. Mbola manomana ny taratasy fifindrany hilalao atsy Egypte i Tendry, raha ny nambaran’ny mpampita vaovao.

Fitia Randria

Partager sur: