Fampisehoana anisan’ny nandrasan’ny maro, indrindra ireo mpankafy Dadju sy Tayc, ny « Concert Héritage ». Raha tsiahivina, efa samy nanao fampisehoana teto Madagasikara ireto Frantsay mpanakanto mpanao rap ireto no izao hiray sehatra ao amin’ny Kianja Barea izao indray.
Tanterahina anio hariva, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Concert Héritage », fampisehoana iarahana amin’i Dadju sy Tayc, Frantsay mpanao rap. Hanafana ny sehatra mandritra ny tapany voalohany amin’ity fampisehoana ity ireo mpandresin’ ny fifaninana “Tremplin Héritage”. Efa vonona ny rehetra ary omaly maraina no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireto Frantsay mpanao rap ireto. Ao anatin’ny fanaovana fampisehoana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izy mirahalahy ireto amin’izao fotoana izao ary mananjara i Madagasikara fa anisan’ny hanatanterahina izany “Concert Héritage” izany.
Hetsika fanararaotra ho an’ireo tanora malagasy miisa 15, notsongain’ny minisiteran’ ny Tanora sy ny fanatanjahantena, handray anjara mavitrika sy maneho ny fahaiza-manaony avy, ity “Concert Héritage” ity. Tanora manodidina ny 18 hatramin’ny 26 taona izy ireo ary haka traikefa sy fahaiza-manao mahakasika ny paikady teknika fanatanterahana fampisehoana. Hifantoka manokana amin’ny sehatra manan-danja amin’izany izy ireo, sahala amin’ny haivarotra, ny fitantanana ireo fitaovana fampiasa an-tsehatra, ny serasera ary ny fivarotana tapakila. Ankoatra izay, anisan’ny hahazo tombony ihany koa ireo tanora malagasy hanafana ny sehatra, mandritra ny tapany voalohany. Anisan’izany i Bab’s Rasolonjatovo, Yvaniat Layraa ary Ismael. Izy ireo izay mpandresin’ny fifaninanana “Tremplin Héritage”. Fotoana hanehoan’
izy ireo ny talentany eo amin’izao tontolo izao, araka izany, io fotoana io.
Saika hipoka avokoa ny fampisehoana fampahafantarana ny « Héritage », nataon’i Dadju sy i Tayc. Anisan’ny andrasan’ny maro mandritra ity fampisehoana ity ny hira nahafantarana ireto Frantsay mpanao rap ireto. Anisan’izany ny “Makila Wablé”, “Apprends-moi”, “I love you”, “Jaloux”, sns.
Lin