Fanadinana amin’ny fampianarana teknika: ny 13 janoary – 21 marsa 2025 ny fisoratana anarana

Nampahafantatra ny tetian­dro momba ny fisoratana anarana amin’ireo fanadinam-panjakana samihafa ao aminy ny minisiteran’ny Fampiana­rana teknika sy fanofanana arakasa. Hanomboka ny 20 janoary ary hifarana ny 21 marsa, taona 2025, ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana ahazoana ny mari-pahazaina Brevet d’études professionnelles (BEP). Hotonto­saina ny 30 jona hatramin’ny
3 jolay ity fanadinana ity ho an’ny sekoly teknika manerana ny Nosy. Ho an’ny fanadinana hisitrahana ny diplaoma Cer­tificat d’aptitude profesionnelle, mitovy amin’ny tetiandron’ny BEP ny fisoratana anarana fa hatao ny 7 jolay ka hatramin’ny 10 jolay kosa ny fanadinana.
Ny 20 janoary hatramin’ny 21 marsa ny fisoratana anarana ho an’ny mpiadina maniry ny hahazo ny mari-pahaizana Certificate de fin d’apprentissage (CFA). Ny 30 jona hatramin’ny 2 jolay ny fanadinana.
Ho an’ny mpianatra hiditra hifaninana hianatra ho taona voalohany ao amin’ny sekoly teknika sy fiofanana arakasa manerana ny Nosy, ny 13 ja­noary no hisokatra ny fandraisana ny fangatahana ary hikatona ny 21 marsa. Ny 19 sy ny 20 jona kosa ny fanatanterahana ny fanadinana. Ny 21 janoary ka hatramin’ny 21 marsa ny fisoratana anarana ho an’ny olona hifaninana hahazo ny Certificat d’aptitude professionnelle spécialisée (CAPS), ny 4 aogositra hatramin’ny 8 aogositra ny fiatre­hana ny fifaninanana.
Ho an’ny mpiadina hiditra taona voalohany hiofana hahazoana ny CAPS, ny 16 jona hatramin’ny 15 aogositra 2025 ny fisoratana anarana ary ny 16 septambra hatramin’ ny 17 septambra ny fanadinana.

Vonjy

Partager sur: