Nahazo taratasy fampitsaharana amin’ny asany ireo sefo fokontany miisa 5 any Toliary. Efa niseho koa ny fanesorana mpitantana eny ifotony tahaka izao tany an-toerana nialoha ny fifidianana depiote tao Toliary ary izao niverina izao indray. Tsiahivina fa taratasy avy any amin’ny prefet izany.
Iharan’ny tsindry amin’ireo kandidà mpomba ny fitondrana ny ankamaroan’ireo mpiasam-panjakana any amin’ny kaominina Mahaiza, any Betafo, Vakinankaratra. Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra, araka izany, ireo kandidà mpifaninana any an-toerana ny hampitsaharana izany, tsy misy hataka andro.
Nambaran’ny kandidà, Rakotovao Rivo, fa tsy hamadika ny fifanekena tamin’ny vahoaka sy ny tolona niombonana ny tenany. “Mijoro hatramin’ny farany aho hanohitra ny tsy rariny sy ny tsy fanarahan-dalàna ary ny fanaovana tsinontsinona ny vahoaka”, hoy izy. Nanteriny fa kandidà tokana ao Mahajanga sahy mijoro amin’ny marina izy amin’ny maha mpanohitra azy.
Ahitana kandidàn’ny Firaisankina sy ny Tim ny kaominina Ambalanjanakomby, any amin’ny distrikan’i Maevatanana. Iray ao anaty vovonana ihany anefa izy ireo. Tahaka izany koa ny Irmar. Samy nanolotra kandidà ben’ny Tanàna ny Irmar sy ny Avi ary koa ny antoko Freedom any amin’io kaominina io. Vovonana iray ihany koa izy ireo.