« Festival Madajazzcar »: hiavaka ny seho eny amin’ny Tamboho, anio

Tanterahina anio hariva, eny amin’ny Tamboho Radi­son Ambodivona, ny “Duo Samy Andriamanoro & Gerard Ratsimiseta” sy ny seho an-tsehatra iarahana amin’ny MalagaSwiss Jazz United. Samy Andriamanoro sy Gerard Ratsimiseta no hanokatra ny sehatra ary handimby azy ireo, aorian’izay, ny Malaga­Swiss Jazz United. Anisan’ny ho hita mandritra ity fampisehoana ity ny vokatry ny atri­kasa niarahana tamin’i Stewy Von Wattenwyl, Isabella Bleisch ary Sarafina, natao omaly.
Ho ambohi-pihaonan’ny mpankafy Jazz indray ny eny amin’ny Tamboho Radison Ambodivona, anio. Seho anisan’ny avo lenta sy manana ny maha izy azy ity hatao ity noho ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara. Samy An­dria­manoro, Malagasy mpitendry zavamaneno sy mpandrindra hira. Gerard Ratsimiseta izay mpitendry gitara, manana ny maha izy azy, indrindra eo amin’ny tontolon’ny Jazz. Ny tarika MalagaSwiss Jazz United, tarika efa miantse­hatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary anisan’ny vahiny nasaina amin’izao “Festival Madajazzcar” izao. I Stewy Von Wattenwyl, Isabella Bleisch, Sarafina, Vatsiahy Ravaloson, Harrisa Mananjara ary Angelo Mananjara no mandrafitra ny tarika.
Ankoatra ity fampisehoana ity. Misy ihany koa ny seho Jazz iarahana amin’i Dimy Nuée, eny amin’ny Fara West Faravohitra, anio.

Lin

Partager sur: