INDRAY MIJERY

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny mini­sitra ny fividianana ireo fanafody sy kojakojam-pitsaboana ao anatin’ny fifanarahana Salama. Tafiditra amin’izany ny fanafody sy ny kojakoja rehetra ampiasaina eny amin’ny CSB sy ny hopitalim-panjakana ary ny fitaovana eny amin’ny laboratoara sy ny toeram-pitarafana.

Nanolotra tobin-drano (citerne) mahazaka
1 000 litatra miisa roa hoentina hanampiana ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana, tamin’ity herinandro ity, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Manamarika ny fifanampiana eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny governemanta izao hetsika izao, izay hamahana amin’ny ampahany ny olan’ny tsy fahampian-drano eto an-dRenivohitra.

Hanomboka ny 15 oktobra izao ary haharitra
5 andro ny hetsika fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ ny lefakozatra sy ny kitrotro manerana ny Nosy. Manao fanentanana ny ray aman-dreny hitondra ny zanany eny amin’ny tobim-pahasalamana ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka mba hisitraka izany vaksiny izany maimaimpoana.

Nanara-maso ny fitaterana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ny ATT Mahajanga. Miisa 32 ireo fiara nanaovana fitsirihana ny talata teo, teny amin’ny Probo. Anisan’ny tsy fanarahan-dalàna hita matetika ny “manifold” tsy feno tsara, fiara tsy misy “plaque frontale” sy “inscription latérale”, fiara tsy manana taratasy, mpamily lany fitsirihana ara-medikaly. fitondrana olona mihoatra…

Partager sur: