Management Services for Health : nisongadina ny fivoarana teo amin’ny sehatry ny fahasalamana

Nanao tatitra ny MSH ny amin’ny asa vita tamin’ireo fandaharanasa notanterahina teto Madagasikara. Niantsehatra teny amin’ireo tobim-pahasalamana mihitsy ny filoha tale jeneraly, i Marian Wentworth.

Naneho ny fahafaham-pony tamin’ny ezaka vitan’ireo fandaharanasa ara-pahasalamana niseharany ny filoha tale jeneralin’ny Management Services for Health (MSH), i Marian Went­worth, omaly, tetsy Ankoron­drano.
Nahafahana nitondra fanovana sy fivoarana teo amin’ny sehatra maro tamin’ny fahasalamana ny tohana natao na teny ifotony na tamin’ireo rafitra an-tanan-tohatra. Azo alain-tahaka ny fahavononan’ireo eny fitony ny hampihatra sy hahaleo tena amin’ny fanohizana ny ezaka. Mahavita sami­rery ny fiovana izy ireo ankehitriny ka mendrika hankaherezina hatrany.

Nisaotra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa ny filoha tale jeneralin’ny MSH tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fanamorana ny fiseha­rana teny ifotony.
Namolavola ireo mpitarika teto amin’ny firenena, indrindra teo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ireo fandaharanasa notanterahin’ny MSH. Anisan’ izany ny fandaharanasa ara-pahasalamana “Usaid Access” izay niasa tamin’ny faritra 14. Mifarana amin’ny volana marsa amin’ny taona ho avy io fandaharanasa io. Toraka izany, ny “Impact” notanterahin’ny PSI izay efa nifarana ihany koa. Ankoatra izany, ny fandaharanasa hafa izay nampiakatra avo ny lentan’ny laboratoara eto Madagasikara sy nanampy betsaka tamin’ireny valanaretina covid 19 ireny.
Afapo tamin’ny asa ny MSH kanefa mbola betsaka koa ny zavatra hatao ary naneho fahavononana mbola hanohy izy ireo. Nisongadina ny fiovam-pihetsika eny amin’ny tobim-pahasalamana ka mam­pazoto ny olona tonga mitsabo tena. Teo koa ny fifehezana ny fitantanana ny famatsiana fanafody. Ankoatra ireo, ny haitarika nifampizarana sy nanampy betsaka tamin’ny fiovana sy fivoarana eny an-tsehatra. Ny ady amin’ny aretina tazomoka…. Hita taratra koa ny fiakaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny…

Tatiana A

Partager sur: