Mena Manankasina: « Iray ihany ny lohataona ary misy fotoana voafaritra… »

Mpandala ny nentin-drazana sy ny fomba malagasy, nandalina ny fanandroana amin’ny endriny rehetra ihany koa i Mena Manankasina. Mitondra fanazavana mahakasika ny « lohataona », izay nampisy resabe tato ho ato indray izy. Resadresaka manokana.

Gazety Taratra (*):Maro ireo fanina sy tsy naharaka tamin’ilay hetsika « Lohataona: taombaovao malagasy » tontosa teo. Mety tsy ampy koa ny fazavana fa inona ny tena marina?
Mena Manankasina (-): Efa kolontsaina nentim-pahara­zana, efa ela ary tsy voafaritra hoe oviana, ny lohataona. Misy tsipelina roa mety mifamadika ihany koa anefa ao. « Lohan’ny fotoana » sy « lohan’ny fitaomana ». Ny « lohan’ny fotoana » ilay resahina hoe « fotoana vaovao ». Misy ny fombafomba
tanterahina amin’izany. Ny hasin’ny tany mifandray amin’ny hasin’ny olombelona sy ny hasin’ny lanitra. Izay ilay «masondrobe lohataona», ohatra. Amin’io ny santa-boly: manomboka hamboly dia misy fitaomana ataon’ny Olobe. Misy fotoana
voafaritra anefa io, fa tsy hatao fahatany. Izay fomba izay no valiana amin’ny fotoan’ny fararano, rehefa miakatra ny san­ta-bokatra na santa-bary. « Fitaomana vaovao » fa tsy hoe « fotoana vaovao ». Ilay fahaverezan’ny fahalalana ifotony no nahatonga ny disadisa hoe misy lohataona roa na lohana fotoana roa eto Madagasikara. Iray ihany ny lohataona.

(*): Amin’ny fotoana inona marina izany ny lohataona, ary inona no atao mandritra izany mba tsy ho very tanteraka?
(-): Efa zava-dehibe aloha ny nandraisan’ny fitondrana andraikitra amin’ny famerenan-kasina ny lohataona. Fa mbola tsy ampy anefa. Famerenana ny kolontsaina, na dia tsy mbola feno aza izy izao, fa mandeha tsikelikely eo. Aorian’ny ririnina ny lohataona. Fanombohana fe-potoana iray izy io. Ny zavatra hatao mandritra izany dia ny santa-boly. Rehefa fararano kosa ny santa-bary, izay fitaomana vaovao.

Isika manara-bolana, ka miovaova io fotoana io, arakaraka ny volana lohataona mitondra azy. Amin’ity taona ity, ohatra, ny 17 oktobra izany, ka izay no hanaovanay ny hetsika iarahana amin’ny Gentelmen Farmers any Ankazobe.

Manaraka ny rafitra voajanahary io iverenantsika io. Marina fa misy ny tsy fahalavorariana mitranga amin’izao fotoana izao, toy ny fiavian’ny orana izay miovaova. Noho ny fanimbantsika ny zava-boahary no mahatonga ireny. Misy fanazavana ara-tsiantifika rahateo izany. Ny zava-dehibe aloha dia ny fisian’ny ezaka hamerina ny kolontsaina, hanaraka ny lamina voajanahary.

 Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: