Mila manova fomba fisaina

 

Hita iny ny vahaolana avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Nasehony hatrany amin’ny fizaran-drano ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Miezaka ny miatrika ny hamehana arakaraka ny hodidina izy. Ny rano manakaiky vahoaka, fa tsy ny vahoaka intsony no handahatra bidon  mavo. Mibaribary ny finiavany hitondra vahaolana, tsy hiandrasana ny hafa.
Manoloana izany, mba tsy hay ny tsy hisintona ny sain’ny mponin’Antananarivo ihany koa, ho fiatrehana ny zava-misy. Aiza dia hiandrasana mpitondra daholo ity zava-drehetra ity. Mety mba misy ihany ny vahaolana ho an’ny mponina, miainga avy any amin’ny mponina. Tsy misy mahita ny aty vilany, mihoatra ny ao an-trano. Raha misy ny maharary, tsy rariny sy hitsiny ve raha ny marofy no mitady vahaolana voalohany ho azy.
Asa re! Diso nampihantaina loatra ilay Malagasy. Nozarina ny mandray sy toloram-potsiny tokoa ve? Hany ka misy ny olana tokony ho voavahany dia tsy maintsy hiandrasana mpitondra. Ny tena mahavariana, zary fomba amam-panaon-dRamalagasy ny mitady olona hanilihana andraikitra. Vantany vao misy ny olana na toe-javamisy tsy manjary, mihazakazaka mitady olon-kafa hodisoina.
Anatin’ny vanim-potoana tokony hahatongavan-tsain’ny rehetra izao. Tsy ampy ny fimenomenomana amin’ny olana. Tsy maintsy mandray andraikitra ny rehetra. « Tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja », oha-pitenena nifono fahendrena izany. Tsy tokony ho filamatra sy tonontononina fotsiny ilay hoe firaisankina fa mila fiaraha-mientana.
Mila mijoro sy mitondra ny anjara birikiny ny Malagasy tsivakivolo. Mila miala amin’izay fisainana zatra toloram-potsiny noho ny paikady politika diso toerana izay ny rehetra! Ny isan-tokantrano ihany no vahaolana ho an’ny isan-tokantrano. Miandry vasoka fotsiny eo izay manantena ny ankoatra izay.

r.r

Partager sur: