Nisy ny fanambarana nataon’i Véronique Tadjo, izay filohan’ny mpitsara, ny 9 oktobra 2024, mahakasika ny tsy hisian’ny « Prix Oranges du Livre d’Afrique » (Pola) intsony. Izy izay namoaka izao fanambarana izao, taorian’ny nahazoany fanazavana avy amin’i Hafilda Genfound, solontenan’ ny Fondation Orange. « Hifantoka kokoa amin’ny fanabeazana sy ny sekoly ny Orange ka izany no nanafoanana ity karazana fifaninanana ity », hoy i Véronique Tadjo.
Fifaninanana eo amin’ny sehatry ny literatiora, noforonin’ny Fondation Orange, ny taona 2019, ny Pola. Manome valisoa ireo tantara nosoratana tamin’ny teny frantsay nataona afrikanina mpanoratra ary navoakan’ny trano fanotana boky miorina aty Afrika izy ity. Tanjony tamin’ izany ny hampiroborobo ny tontolon’ny literatiora sy hanome sehatra ny Afrikanina mpiangaly izany. Tsiahivina fa efa nandrombaka izany ny Malagasy ny taona 2023, tamin’ny alalan’i Michèle Rakotoson niaraka tamin’ilay boky nosoratany “Ambatomanga, le silence et la douleur”.
Lin