Tontosa omaly, tany Cote d’Ivoire, ny dingana famaranana, “Prix Ivoire” andiany faha-16. Boky nosoratana Afrikanina miisa dimy no niatrika izany dingan’ny famaranana izany. Anisany i Hary Rabary, niaraka tamin’ilay boky nosoratany “Za koa”. Ny boky “Malentendues”, nosoratan’i Azza Filali no nandrombaka ny amboara tamin’ity andiany ity. Anisan’ny tanjona ny hampivelarana ny haisoratra afrikanina sy ny mpanakanto, indrindra ireo mampiasa ny teny frantsay.
Mitohy hatrany ny fiakarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho an’i Hary Rabary, amin’ny alalan’ny “Za koa”.
Anisan’ny taom-pahombiazana ho azy ihany koa ity taona 2024 ity satria anisan’ny tafakatra amin’ny dingana famaranana “Prix Orange Livres d’Afrique 2024” izy. Teo ihany koa ny “Prix Shengor” tany Sénégal, ary farany ity “Prix Ivoire 2024” ity. Anisan’ny mampiavaka ny boky “Za koa” ny fahaizan’ny mpanoratra mampiasa ny voambolana ao anatin’ny tantara.
Lin