«Road to BAL» : tanjon’ny GNBC ny ho tafita amin’ny Élites 16

Hanainga rahampitso, ho any Tanzanie, ny GNBC, hiatrika ny dingana voalohany amin’ny “Road to BAL”, taranja basikety, hatao ny 16 hatramin’ny 20 oktobra izao. Tan­jona ho an’ny ekipa ny hahazo ny tapakila hiatrehina ny Élites 16. Tsiahivina fa ekipa 6 no hiady ny tapakila 2 hanao izay Élites 16 izay, ahitana ny Urunani (Burundi), Hawassa City (Ethiopie), Nairobi City Thunder (Kenya), Beau Vallon Heat (Seychelles), JKT (Tanzanie) ary ny GNBC (Madagascar). Tsy naka mpilalao hanatevin-daharana ny GNBC amin’ity dingana voalohany ity, araka ny fanazavan’ny kolonely Ravoavy, SG ny GNBC. Efa nandinika ny tohiny kosa izy ireo, amin’ny Élites 16 sy ny dingana manaraka. Hanampy ny GNBC kosa anefa, ny mpilalao iray, Razafindrakoto Yohan Man­drindra, mpilalao latsaky ny 21 taona. Tsy maintsy asiana mpilalao iray amin’io sokajin-taona io ao anatin’ny ekipa, araka ny fanazavana nentin’ny mpanazatra ny GNBC, Raharidera Lova Navalona.
Raha hiverenana ny zava-bitan’ny GNBC, efa nandray anjara tamin’ny “Road to Bal” izy ireo ny taona 2020 ary efa tafiditra tao amin’ny Élites 16 ary efa nanao Bal mihitsy taorian’izay. Ny hanao tsaratsara kokoa noho izay no fanamby apetraka ho an’ny GNBC ary hiezaka hanitsy ny lesoka. Marihina fa efa nanao Bal avokoa ny antsasak’ireto mpilalao hanainga rahampitso ireto, anisan’izany ny kapiteny, Randriamampionona Elly, izay nilaza ny fahavononana sy nanentana ny mpakafy basikety hanohana azy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: