SOMBIM-BAOVAO

Nirarandraraka tanteraka ny baolina maty nandritra ny fifanandrinan’ny FC Melaky sy ny Ma II Mi Betsiboka. Nomontsanin’ny mpilalaon’i Melaky, 14 no ho 0, ry zareo avy atsy Betsiboka, omaly. Marihina fa ity fifanandrinana ity, tafiditra amin’ny andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena, sokajy vehivavy.

Hotanterahina anio, ny andro fahatelon’ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja Rugby, WXV III, sokajy vehivavy. Hifandona amin’ny ekipa nasionaly malagasy Makis Ladies i Samoa. Mitana ny laharana farany amin’ity fifaninanana ity moa i Madagasikara saingy tsy maintsy maka fandresena amin’i Samoa izy ireo.

Nivoaka omaly, tao anaty tambajotra-tseraseran’ny Malagasy Rugby, ny filaharan’ny XXL Top 12, federaly I. Mitana ny laharana voalohany hatrany ny tompondakan’ny XXL Top 20, FTM Manjakaray, faharoa kosa ny Cosfa. Tsiahivina fa izay roa voalohany amin’ity fifanintsanana ity, tafita any amin’ny manasa-dalana avy hatrany. Hiady toerana roa kosa ireo ekipa fahatelo ka hatramin’ny fahenina.

Nambaran’i Rafael Nadal, espaniola mpilalao tenisy, omaly, fa ny “Coupe Davis”, izay hatao ny volana ho avy io, any Malaga Espagne, no handraisany anjara farany amin’ny sehatrin’ny matihanina. 38 taona moa i Nadal, ary efa nandrombaka in-22 ny fifaninanana lehibe “Grand Chelem”.

Partager sur: