TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly, teny amin’ny Fara West Faravohitra, ny atrikasa mahakasika ny Jazz, niara­hana tamin’i Stewy Von Wattenwyl, Isabella Bleisch ary Sarafina. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpiangaly ny gadona Jazz.

Tontosaina anio, eny amin’ny ADMC- Craam Ankatso, ny “Slam à l’Université”. Hetsika karakarain’ ny fikambanana Madagaslam section Tanà (MST),
miaraka amin’ny ADMC-Craam. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny zavakanto eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo izy ity.

Hisy ny tafatafa iarahana amin’i Tsiory Ran­driamanantena, manam-pahaizana manokana momba ny haiolombelona, anio, eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ao anatin’ny fampirantiana “Antso ho an’ny tontolo miaina”. Ny mahakasika ny finoana sy
ny fady manodidina ny vorona no resahina mandritra izany.

Hiavaka ny seho ao amin’ny Piment Café Behoririka, anio. Hanafana ny sehatra eny an-toerana i Tolotra& Ony ary hifampizara sehatra amin’izy ireo koa i Nary sy Eric Rason. Revy gitara rano iray no ho hita eny an-toerana mandritra io fotoana io. Hisongadina mandritra ny fampisehoana ny fihiran’izy ireo ny hirana mpanakanto malaza.

Partager sur: