Tratran’ny fitsaram-bahoaka: lehilahy iray nisandoka ho zandary

Haingana ny fahatongavan’ny zandary nisambotra azy fa raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Ramilison Jean Emile, nisandoka ho zandary tao Tanambao fahadimy Toa­ma­sina, omaly. Manery ireo olona handoa vola tsy ara-drariny aminy izy. Tonga teny amin’ny faritra misy ireo mpivarotra finday ao Tanambao fahadimy ity zandary sandoka ity. Namantana teo amin’ny tovolahy iray mpivarotra finday izy ka nandrahona azy. Nolazainy fa finday halatra avokoa no amidin’io tovolahy io. « Andao ianao manaraka ahy any amin’ny borigadin’ny zandary », hoy ilay zandary sandoka. Lasa izy roa lahy nandray posy raha nanaraka nanatona tany amin’ny borigadin’ny zandary kosa ny fianakaviany.
Lasa ny vola 4 hetsy Ar…
Hatairana anefa ny an’ireo fianakaviany fa tsy misy ity zandary ity akory miasa ao amin’ny borigady. Fotoana fo­hy taorian’izay, nahazo hafatra tamin’ny finday ny fianakaviany milaza fa handefasana vola 2 hetsy Ar izy dia havotsotra io tovolahy voatazona io. Tsy vi­tan’izay fa mbola nahazo antso indray tamina laharana finday hafa ny fianakaviany mangataka vola fanampiny 2 hetsy Ar. Mitotaly 4 hetsy Ar, araka izany, ny vola azon’ity zandary sandoka ity. Tafaverina tany amin’ny fianakaviany ihany ilay tovolahy, afakomaly tolakandro. Nikasa hanohy ny asa ratsiny indray ity zandary sandoka ity ka nihaodihaody teo amin’ny toeram-pivarotana finday. Noraisim-potsiny anefa izy satria tonga nisambotra azy ny zandary.

Sajo/J.C

Partager sur: