Tsy fanjarian-tsakafo : miantsehatra amin’ny ady ny SZM

Nanokatra ny fivoriana iraisam-pirenena ho an’ny tanora tetsy Ambohitrimanjaka, omaly, ny skotisma zazavavy eto Mada­gasikara (SZM). Nahitana ny Fanilo sy Mpanazava ary ny Kiadin’i Madagasikara izany.
Lohahevitra novoizina ny mahakasika ny fanomezana tontolo maitso kokoa ny tanora amin’ny hoavy.
Ireo efa nandray anjara tamin’ny fandaharam-panabeazana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fanodinana ny fako plastika no nanampy traikefa tamin’ny fihaonana, omaly. Nisy koa ny fanamafisana ny fahaiza-mitarika ho an’ireo zatovovavy ao amin’ny SZM ireo.
Fotoana nahafahan’izy ireo nampivondrona ny feo mitondra fiovana amin’ny sehatry ny fanjarian-tsakafo sy ny akora plastika ihany koa ity fivoriana ity, hoy ny tomponandraikitry ny serasera, Rakotomavo Océane.
Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izy ireo ary hitohy amin’ny hetsika fanokanana ny foiben-toeran’ny tanora eny Ankorondrano ny hetsika, anio. Eo koa ny firotsahana eny amin’ny fiarahamonina manentana amin’ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fanaovana adisisika sy haitaky eo anivon’ny fanjakana sy ny sampana miantse­hatra amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny tontolo iainana.

Tatiana A

Partager sur: