AFT Andavamamba : hisy ny fampahafantarana ny «Betro Elektriky»

Tanterahina eny amin’ny Alliance Française d’Antana­na­rivo (AFT) Andavamamba, ny 23 oktobra 2024, ny fampisehoana ny «Betro Elektriky» iarahana amin’ny ekipan’i Nazaria Tooj. Anisan’ny famokarana ao anatin’ny «Projet Dihy» izy ity. Tetikasan-javakanto ahitana dihy, hira, mapping ary horonantsary. Ireo karazan-javakanto ireo no natambatra ho iray ka nanome ny «Betro Elektriky». Anisan’ ny soradihy manana ny maha izy azy. Maro ny vahiny sy matihanina eo amin’ny tontolon’ny zavakanto no afapo tamin’ny kalitaony.
Ao anaty fitetezam-paritra ho fampahafantarana ny «Betro elektriky» ny ekipan’ny «Projet Dihy» amin’izao. Antsiranana sy Mahajanga ary Toliara no efa nandalovan’izy ireo ary eto Antananarivo izy ireo amin’izao. Soradihy ahitana dihy ankehitriny mavitrika kokoa, laroina hira sy horonantsary. Ara-keviny, ny Betro izay teny entina milaza ny atidoha, any amin’ny faritra. Ny elektriky kosa izay entina milaza fa mavitrika. Ny zava-misy sy ny filan’ny mpankafy mozika ankehitriny no natambatra nahafahana namoaka izao vokatra izao. Ny mpankafy mozika malagasy, indrindra ny tanora, izay liana kokoa amin’ny hira mihetsiketsika miaraka amin’ny dihy mampiasa vatana, ankehitriny.

Lin

Partager sur: