Aretina bilarziozy na takilodrano: hatsaraina ny ady atao eto Madagasikara

Nisy ny atrikasa natao tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, nandinihina ny hana­tsarana ny ady atao amin’ny aretina bilarziozy na takilo­drano. Hetsika niarahan’ny Institut Bernhard Nocht de médecine tropicale (BINMT) avy any Hambourg sy ireo oniversitem-panjakana eto an-toerana mpiara-miombon’antoka aminy. Anisan’ny firenena ahitana bilarziozy betsaka i Madagasikara. Ahitana izany avokoa ireo disitrika 107 amin’ny 119. Be­tsaka kokoa ireo olona miara-miaina amin’io aretina io amin’ireo disitrika 46, raha ny tatitra voaray teny an-toerana, omaly. “Ny fahatsapana izany tranga izany no antony nanaovana ny atrikasa mba hahafahana miady hevitra sy mitady ny fomba tsaratsara kokoa entina miady amin’io aretina io”, hoy Pr Rakotoarivelo Rivo, eo anivon’ny Faculté de mé­decine ao amin’ny Oniver­siten’i Fianarantsoa, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny an-toerana. Nisy, araka izany, ny ady hevitra mahakasika ny aretina, fizarana ny vokatry ny fikarohana natao teto an-toerana. Tanjona ny hahafahana manatsara na manova ny fomba enti-miady amin’io aretina io eto amin’
ny Nosy. Tonga nanatrika ny atrikasa ireo tomponandraikitra samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany, toy ny avy any Malawi, France, Gabon ary i Côte d’Ivoire. Nanatrika ny atrikasa teny an-toerana ireo mpanapa-kevitra, mpikaroka, mpitsabo ary mpiasa eo anivon’ny fiarahamonina. Fotoana ihany koa nitondran’izy ireo ny traikefany manoloana ny ady atao. Nampahafantatra ny zavatra tokony hatao amin’ny ady atao amin’ny aretina koa ny avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS).

Mino

Partager sur: