Very tany amin’ny ora farany ny fandresena tokony ho azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tany Maroc. Nanao sahala, 1 no ho 1, tamin’ny Scorpion Gambie, ny ekipa nasionaly malagasy.
Niampy iray indray ny isa azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianja Stade El Arbi Zaouli Maroc. Nanao ady sahala, 1 no ho 1, tamin’ ny Scorpion Gambie izy ireo nandritra ny andro fahatelon’ity fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025” ity. Araka izany, manana isa roa i Madagasikara, ao amin’ny vondrona “A”.
Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, nanindry tamin’ny fitazomana baolina ny gambianina mpilalao. Tany amin’ny minitra faha-46 vao nahita isa iray ny Barea, tamin’ny alalan’i Clement Couturier, hirakiraka malagasy. Io isa 1 noho 0 io ihany nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Nandritra ny fidirana faharoa, niezaka hatrany ny maingoka gambianina ny hanasahala ny isa saingy voasakan’i Laiton, mpiandry ny tsatobian’ny Barea izany. Teo amin’ny minitra farany tsy hiravan’ny lalao, izany hoe ny faha-97, nahasahala ny isa i Minteh, mpanafika afovoany ho an’i Gambie.
Tsara marihina fa miankina tamin’ny lalaon’i Comores sy i Tunisie, omaly ihany, ny filaharan’ny Barea de Madagascar.
Mila mandresy
Ny alatsinainy ho avy izao, hatao ny andro fahefatra, ka hiverina hifandona indray ireto firenena roa ireto, any amin’ny kianja El Abdi. Mila maka fandresena ny ekipa nasionaly malagasy raha tian’izy ireo ny handray anjara amin’ny “Can 2025”. Tsara ny mampahafantatra fa tsy tonga tany Maroc i Carolus sy i Tendry, lohalaharana Barea de Madagascar.
Fitia Randria