Hotontosaina ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra izao, any Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja dihy ara-panatanjahantena “Latine” sy SBK (Salsa, Bachata, Kizomba). Efa nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana notarihin’ny filohan’ny federasiona, Randrianarisoa Rijamanitra, ny herinandro lasa teo, nijerena izay fomba hanatanterahana araka ny tokony ho izy ity fifaninanam-pirenena ity. Niara-nidinika tamin’ny federasiona nandritra io fidinana ifotony io ny solontenan’ny DRJS, faritra Atsinanana, ny ligin’Atsinanana, ary ireo klioba rehetra any an-toerana.
Araka ny fandaharam-potoana, hizara 3 ny hetsika sy fifaninanana mandritra ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, dihy ara-panatanjahantena. Hisy ny dinika nasionaly na “critérium national” ho an’ny dihy ara-panatanjahantena latine sy ny fifaninanana nasionaly ho an’ny Latine, ny 1 novambra manomboka ny maraina mandra-pahariva ny andro. Hitohy amin’ny fifaninanana “solo dance latines” kosa izany ny 2 novambra. Hahitana ny fifaninanana ho an’ny 10 taona hatramin’ny 55 taona ity “solo dance latines” ity. Hiavaka amin’ny fifaninanana hatramin’izay, araka izany, io fiadiana ny tompondaka nasionalin’ny dihy ara-panatanjahantena hatao any Toamasina io.
Mi.Raz