Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny tale misahana an’i Afrika Atsinanana ao anatin’ny vondrona Aser, Enes Ozcan, ny alakamisy teo, ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Aser Technology. Nitodika tamin’ny fanamafisana ny teknolojia eo amin’ireo sehatra maro ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny diniky ny roa tonta. Voatonona tao anatin’izany ny sehatry ny fiarovana, ny fanatsarana ny zotra an-dalamby, ny fifandraisan-davitra ary ny angovo. « Zava-dehibe ho an’ny fanavaozana ny firenena ny fampivelarana sy fampivoarana ny rafitra mahakasika ny fanatsarana ny lalamby ary ny fanamafisana ny tambajotram-pifandraisana », hoy ny minisitra. Hitondra vahaolana mifanaraka amin’ny filana manokana eto Madagasikara ka hanamafisana ny fahaleovantena ara-teknolojia eto amin’ny firenena ny Aser technology. Notohizan’ny minisitra fa zava-dehibe ny fanavaozana sy ny fahaiza-manaon’ny Aser amin’ny fanovana ny sehatra teknolojia sy ara-toekarena eto amin’ny firenena.
Henintsoa H.