Mandray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena ihany koa ny mpanakanto. Ho tohin’ireo hetsika efa fanaony, hankalaza ny andron’ny 14 oktobra, « Fetin’ny Repoblika », ireo mpanao rap mivondrona ao amin’ny Kolontsaina Mainty.
«Eh, avia aloha manabokona atidoha, fa ny fahantrana ara-tsaina, hoy aho, mitarika ny fahantrana ara-bola ihany koa a». Fanentanana nataon’i Bolo na Ra-Loob io. Mahakasika ny fanamarihana ny andron’ny 14 oktobra, ny alatsinainy izao, izany. Andro lehibe sy manan-tantara ka tsy avela handalo fotsiny izy ity, ho an’ireo mpanakanto mivoy ny rap gasy, ao anatin’ny vondrona Kolontsaina Mainty. «Fetin’ny Repoblika» rahateo ny anaran’ny hetsika, izay hotontosaina eny amin’ny ADMC / Craam Ankatso.
Hizara roa ny fotoana ka ny maraina manomboka amin’ ny 9 ora dia hatokana ho an’ny velakevitra arahina adihevitra. «Ny atao hoe fanjakana sy Repoblika» ny lohahevitra voalohany hovelabelarin’ny profesora Jaqueline Ravelomanana, mpampianatra tantara sy lalàna, sy Ranovona Andriamaro, mpampianatra sosiolojia politika. Hanaraka avy eo ny «Tantaran’ny hiram-pirenena», izay azo antoka fa hahaliana ny maro. Hamarana ny velakevitra ny Hip Hop any Etazonia, izay hozarain’i Qwincy, mpanao rap, mpikambana ao amin’ny Da-Hopp. Arahina seho kely hataon’i Epistolier izany.
Seho ampitain-davitra na «virtual concert» kosa ny hariva manomboka amin’ny 7 ora, izay hifarimbonan’ireo mpanakanto mpanao rap maro, toa an’i Big Tovolah, Eklyps, MBL, Bolo, Mashmanjaka, Nephesch Ta’an, Saboodak, Tommy Montana, Vercors, Yrist, Lyrikal Jill, Sonar, Geoscar, Khym’s Ogami, Balz, sns. Hitrotro izany ny Dj Mister T. Handeha mivantana amin’ny pejy facebook an’ny Kolontsaina Mainty sy Zaza Rap Taiza ny seho.
Marihina fa efa namoaka ilay rakikira niarahana «Repoblika» ireto mpanakanto ireto, ka azo alaina maimaimpoana ao amin’ny kolontsainamainty.com izany, amin’io fotoana io. Rakikira natao hanairana sy hitondran’ireo mpanao rap ny fijeriny ny fiarahamonina sy ny tontolo politika ilomanosan’i Madagasikara izy ity, izay nivoaka tamin’ny taon-dasa.
Zo ny Aina