Nifanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa, ny alakamisy teo, ny firenena japoney sy ny firenena malagasy. Nitarika izany ny masoivohon’i Japon monina eto Madagasikara, Abe Koji, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Mahakasika ny fandaharanasa fanampiana ara-tsakafo ho an’ny taona 2024 no anton’ny fiaraha-miasa voalohany. Hanampy amin’ny fampanjarian-tsakafo izany. Voakasiky ny fifanarahana ihany koa ny fanatsarana ny famatsian-drano any Toamasina izay mikendry ny fisotroana rano madio sy azo antoka ho an’ny mponina any an-toerana.
Nasongadin’ny masoivoho japoney fa efa niara-niasa tamin’ny sehatra maro samihafa i Madagasikara sy i Japon hatramin’ny nisian’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’ ny roa tonta. Nirona betsaka tamin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiahiana ny mponina, izay andry iankinan’ny fampandrosoana, izany. Mitohy ny firahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta ka hiantsehatra amin’ny famatsian-drano ao Toamasina sy ny famatsiana ara-tsakafo indray ny japoney, ankehitriny.
Nanatrika ny fifanarahana ny minisitry ny Rano sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny solotenan’ny Jica. Tsiahivina fa vao ny alakamisy teo, natolotry ny japoney koa ny fitaovana raitra fitarafana tetsy amin’ny hopitaly Andohatapenaka. Manaporofo ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena roa tonta izany.
Tatiana A