Fisolokiana amin’ny resaka tany : naiditra am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny boriborintany iray

Endrika fisolokiana amin’ny resaka tany hafa indray ny teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany Avaradrano. Voarohirohy amin’izany ny lehiben’ny boriborintany iray.

Nahazo fitarainana ny Birao miady amin’ny kolikoly (Bianco) fa misy ny fiahiahiana kolikoly, fanamparam-pahefana, hosoka mifandray amin’ny fanaovana taratasim-pandovana hosoka, nataon’ny mpiasan’ny boriborintany ao amin’ny distrika Avaradrano.
Nangataka didim-pitsarana hizakana fananantany eny Anosibe, tany amin’ny fitsarana (préscription acquisitive) ny olona maromaro, ny taona 2016. Efa nanajary izany maherin’ny 20 taona izy ireo. Rehefa hanoratra ny tany teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany Avaradrano anefa izy ireo, voalaza fa efa nafindra amina olona iray ilay tany. Nanao fanadihadiana lalina ny fitantanam-paritry ny Bianco Antananarivo. Fan­tatra fa nisy ny taratasim-pandovana hosoka natao tany amin’ny boriborintany iray, izay tsy manana fahefana velively amin’ny lafiny fananantany, nentina nanamorana ny famindrana ny tany avy any amin’ilay olona ho an’olon-kafa faharoa. Anisan’ny ananana porofo fa sandoka ny taratasim- pandovana nomen’ilay lehiben’ny boriborintany, nanome vahana ilay mitonona ho tompon’ny tany. Tsy nisy ny porofo ara-panjakana tao amin’ny firaiketan-tsoratra milaza fa tena marina io taratasim-pandovana io. Fantatra fa nisy ny tsikombakomba niarahana tamin’ny lehiben’ny boriborintany, izay tsy manana fahefana amin’ny lafiny fananantany, nandraisana an-tsoratra ny taratasy fifampivarotana. Nosoratan’ilay olona tamin’ny anarany teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany Avaradrano ilay tany, niaraka tamin’ny taratasy fandovana sandoka.
Niakatra fampanoavana teny amin’ny Tendro miady amin’ny kolikoly (Pac), ny 8 oktobra teo, ilay lehiben’ny boriborintany sy ny mpiray tsikombamba aminy. Notaz­o­mina vonjimaika am-ponja avy eo miandry ny fotoam- pitsarana azy izy ireo.

Njaka A.

Partager sur: