ho an’ny tontolo miaina : hiaka-tsehatra ny dihy

Tanterahina anio, eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ao anatin’ny fampirantiana «Antso ho an’ny tontolo miaina», ny fampisehoana dihy iarahana amin’ny Flow mouvement. Ahitana soradihy maneho ny fitarainan’ireo zavaboahary mahakasika ny fahasimban’ny tontolo iainana ny hetsika. Tanjona ny hampahatonga saina ny olona mahakasika ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny zavakanto.

Tena asongadina ao anatin’ny hetsika ny vorona. Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro izany. Hialoha izay ny fivoriana misokatra ho an’ny rehetra, hampahafantarana mahakasika ny soradihy. Handimby azy ireo, aorian’izay kosa, ny soradihy hatolotry ny «Flow mouvement».

Tsiahivina fa efa nisy ny endriny hafa, sahala amin’ny sary hosodoko, zavakanto plastika, sary pika sy horonantsary nanehoana ny antson’ny tontolo miaina.

Lin

Partager sur: