INDRAY MIJERY

Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy, nanao fanadihadina momba ny zava-misy mahakasika azy ireo ny Unicef, tamin’ny alalan’ny «plateforme U-Report». Miompana amin’ny hevitr’izy ireo momba ny miralenta, ny fahafantarany sy ny fampiharana ny zony ny fanadihadiana notanterahina. 18 tapitrisa no isan’ny zatovovavy latsaky ny 20 taona eto amintsika.

Nitsidika sy nitafa tamin’ireo mpitantana ny
orinasa mpamokatra “caviar” ao Mantasoa ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, tamin’ity herinandro ity. Nijery ny zava-misy iainan’ireo mpiasa malagasy sy ny fenitra isan-karazany tsy main­tsy ifanarahana amin’ny orinasa; indrindra eo amin’ny aro loza sy fahasalaman’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina no anton’ny fidinana ifotony. Toeram-piompiana karazan-trondro “sturgeon” voalohany aty Afrika sy ny faritry ny ranomasimbe Indianina ny orinasa Acipenser.

Partager sur: