“Mitambatambatra hanakorontana ry zareo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard V., teny Anosy, afakomaly, momba ny mpanohitra amin’izao fiatrehana fifidianana kaominaly izao. Ny fanakorontanana voalohany, tamin’ny taon-dasa: mody mirotsa-kofidina; avy eo, milaza tsy hanao indray. Ny andrimpanjakana nametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina no hoe tsy atokisana. Efa famitam-bahoaka izay. Nilaza koa ry zareo fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Nefa nanao fampielezan-kevitra ihany ny lah. 13.
Rehefa ny tsy tokony hiaraka no mitambatra, tsy maintsy misamatsamaka sy miady an-trano no hiafarany. Voatery izao ny kandidà iray any Mahajanga, ohatra, mirotsaka amin’ny anaran’ny antokony, fa tsy mirotsaka amin’ilay kisarisarina firaisankina. Ny zatra manakorontana any ivelany, tsy maintsy mikorontana ao anatiny. Izay no mahazo an-dry zareo amin’izao. Mifototra amin’izy ireo ny fanakorontanana ny firenena. Samy voafidy amina vondrona politika iray, ohatra, ny depiote dia manivaiva ny depiote namany. Ahoana ny fijerin’ny olona mponahana azy ireo amin’izany ?
Tsangan-kevitra kosa no iadiana eo anivon’ny vondrona Irmar: i Madagasikara tsy maintsy mandroso. Fitambaran’ny vondrombahoakam-paritra i Madagasikara: kaominina 1 695. Atao ny fanajana ny tombontsoa iombonana. Voahaja tanteraka ny fitsipiky ny antoko. Izay manana herijika ho voafidy no natolotra hirotsa-kofidina. “Tsy ny olona loatra no tohanana, fa ny tsangan-kevitra lehibe dia ny hoe fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy.
R. Nd.