Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Tanora, ny UNFPA, ny OIT ary ny fanjakana norvezianina ny fametrahana ny QG etsy Ankorondrano. Sehatra ahazoana mianatra, mikaroka, mifanakalo traikefa, mijery tolotrasa samihafa.
Notokanana omaly, teny Ankorondrano, ao anatin’ny ivontoeran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny QG Tanora na foiben-toerana natokana ho an’ny tanora. «Sehatra iray ahazoan’izy ireo mianatra, miofana, mampivelatra ny talenta sy hiketrehana tetikasa», hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, nandritra ny lanonana fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao. Mifanandrify amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy ny hetsika. Afaka mikirakira ny teknolojia vaovao ireo tanora hitsidika ny QG. Nametrahana ordinatera miaraka amin’ny wifi ny foibe. Afaka mikaroka sy misokatra amin’izao tontolo izao ny mpitsidika.
Ankoatra ny fampivelarana ny saina sy ny talenta, misy toerana ho an’ny torohevitra momba ny fananahana ara-pahasalamana ao amin’ny QG. Ahazoan’ny zatovo mahazo ny tsara ho fantatra hisorohana ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana izany. Manana Psychologue koa ny ivontoerana hitondra tohana ara-tsaina sy torohevitra ho azy ireo momba ny herisetra, araka ny voalazan’ny solotenan’ny UNFPA eto amintsika, Josiane Yaguibou. Zatovovavy sy zazalahy ary tanora nahazo fanabeazana, manana fahalalana momba ny fisorohana ny vohoka ary voaaro amin’ny herisetra no afaka hitondra fampandrosoana ka ho hitany ao anatin’ny QG avokoa ireo. Hozaraina amin’izy ireo koa ny tolotrasa misy sy mitady mpiasa arakaraka ny sokajiny avy. Toeram-pialana voly koa ny QG ka misy sehatra natokana ho an’izany.
Tontolo iainana
“Ny tanjon’ny zatovovavy ho an’ny hoavy” no lohahevitra novoizina tamin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho azy ireo, omaly. Nangataka ny ahafahan’izy ireo mampiasa ny QG sahady ny fikambanan’ny zatovovavy misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana vokatr’ireo fako plastika. Tetikasan’ny tanora voalohany ampahafantarina ao amin’ny QG izany.
Vonjy