Faharesena telo tamin’ny lalao telo no vokatra azon’ny Makis Ladies nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial”, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina tany amin’ny kianja Dubai Stadium, omaly. Niondrika tamin’ny isa, 46 no ho 15 nanoloana an’i Samoa ny Malagasy. Na teo aza ny faharesena, tsy nitsanga-menatra ny Makis nahitana an’i Nanou, Laurence, Nandrianina, Mirasoa ary i Jina Kely, fa tena nampiseho endri-dalao nahafinaritra. Porofon’izany, nahatonga baolina nenti-tanana roa izy ireo ka ny iray ihany no voatsara niampy “coup de pied de penalité” iray.
Ambony lavitra mantsy ry zareo Samoa, raha mitaha amin’ny Makis Ladies, izay sambany niatrika fifaninanana goavana toy izao. Niady ny fizaram-potoana voalohany satria tsy nifanalavitra ny isa teny amin’ny solaitra be. 22 no ho 12, nitarika ny Samoa. Anisan’ny endri-dalao nampiavaka ny Makis ny tsy fanaovan’izy ireo fahadisoana. Ry zareo Samoa indray no nahazo karatra mavo betsaka nandritra ny fihaonana.
Anisan’ny lesoka teo amin’ny fizaram-potoana faharoa ho an’ny Makis Ladies ny tsy nahafahan’izy ireo nanosika ny “mêlé” ka mora tamin-dry zareo Samoa ny nanindry baolina. Tombony ho an’ireo mpifanandrina taminy rahateo ny haben’ny vatana. Ry zareo Samoa no hiatrika ny dingana famaranana any Angleterre, ny taona 2025.
Tompondaka