Natao tany Sambava, faritra Sava, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona. Nitarika izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, tamin’ity herinandro ity. «Zokiolona malagasy mandroso hasina, manatsara ny hoavin’ny taranaka» no nezahina novoizina nandritra ny hetsika. Ankoatra ny fifampizarana traikefa sy fanentanana samihafa, nisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’olona 900 mahery tany an-toerana.
Nisy koa ny nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo 1 700 mpisitraka. Ankoatra izay, ny tantsoroka miendrika fehezan-karona misy vary, menaka, savony, bodofotsy ho an’ireo zokiolona miisa 1 500.
“Mbola manana ny toerany ny zokiolona eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Izy ireo no raiamandreny to teny sy valaben’ny fahendrena ka mendrika omen-kaja sy apetraka amin’ny toerana mendrika azy”, hoy ny mpandahateny.
Mahatsiaro izany isan-taona ny fanjakana, ao anatin’ ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho azy ireo. Misy koa ny ezaka amin’ny fanomezan-kasina ny zokiolona eny anivon’ny fiarahamonina.
Tatiana A