SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, » « XXL Top 12 », Federaly I, taranja Rugby. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny 3FB sy ny Uscar.
Hotontosaina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Malacam Antanimena, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fifanintsanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby. Fihaonana telo no andeha eny an-toerana. Amin’ny 1 ora atoandro kosa ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny SOE Stade.
Nandray ny masoivohon’ny Reploblikan’i Korea Atsimo, Park Ji Hyun, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah, ny alakamisy lasa teo, tetsy Ambohijatovo. Tapaka nandritra ity fihaonana ity fa hisy fifaninanana « Championnat d’Ambassadeur », ho an’ny taranja Taekwondo, amin’ny taona ho avy io.
Hanomboka amin’ny herinandro ambony, eto Antananarivo, ny fampivondronana ireo mpilalao tsipy kanetibe, hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena. Araka ny fantatra, miisa 24 mirahalahy izy ireo. 4 ihany no ho tazomina hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Dijon France, ny 4-8 desambra ho avy izao.

Partager sur: