TARATRY ny KANTO

Tanterahina rahampitso tolakandro, ao amin’ ny Petit Palais des Sports Mahamasina, ny fampisehoana iarahana amin’ny Rheg The Gang. Fampi­sehoana handrenesana gadona metaly rano iray izy ity. Ankoatra ny fampisehoana, fotoana ahitana voalohany ny rakikiran’ny tarika ihany koa.

Anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, no ahitana ny velakevitra iresahana ny lohahevitra «Ny vehivavy sy ny Jazz eto Madagasikara». Brigitte Rakotomalala, mpanakanto mpihira Jazz no hitarika izany velakevitra izany. Marihina fa anisan’ny mampiavaka ity andiany faha-35 amin’ny Madajazzcar ity ny fanomezana sehatra ny vehivavy.

Handray anjara amin’ny “A creativity revival 2024” atao any Milan Italy, mandritra ity volana oktobra ity, ny fikambanana Rencontres du Film Courts Madagasikara. Ity fikambanana ity izay mpikarakara ny “Madagascourt Film Festival”, anisan’ny hetsika goavana eo amin’ny tontolon’ny horonantsary. Fifanakalo­zana ny fahaiza-manao sy ny traikefa, mahakasika ny fikarakarana hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika no ho hita mandritra izany.

Fampisehoana lehibe no entina mamarana ny “Festival Madajazzcar” andiany fahefatra. Hanatan­te­rahina izany avokoa ireo tanàn-dehibe nanaovana ny hetsika tamin’ity andiany ity. Anisan’izany ny eto Antananarivo. Hisy ihany koa ny ao Antsirabe sy Toamasina. Ankoatra ireo sekoly mampianatra Jazz, mpanakanto andrarezina eo amin’ny tontolon’ny Jazz maro no handray anjara amin’ity anio ity.

Partager sur: