Telo andro nifampitadiavana: tovolahy hita faty natsingevan’ Ikopa

Hita faty natsingevan’ny ranon’Ikopa teny Tanjombato ny tovolahy iray, omaly tolakandro. Voalaza fa nivoaka ny trano izy telo andro lasa izay ka nifampitadiavan’ny fianakaviany.

Tovolahy vao erotrerony hita faty teo amin’ny ranon’Ikopa, ambanin’ny tetezan’i Tanjombato, omaly tolakandro. Olona teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra ny fisiana fatin’olona tao ana­tin’ny rano. Nahatsikaritra zavatra hafahafa, niezaka namantatra kinanjo fatin’olona no hitany. Nosaritina nihazo ny morondrano izany. Nitan­go­rona ny mponina manodidina taorian’izay. Mponina eo anivon’ny fokontany Tanjom­bato ihany izy. Hatreto, tsy fantatra mazava ny antony nahafaty ilay tovolahy. Ana­tin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Telo andro tsy hita
Araka ny loharanom-baovao, tsy hita nandritra ny telo andro ilay tovolahy. Niala tao amin’ny trano fonenany izy ny alin’ny talata 9 oktobra lasa teo. Niezaka nikaroka azy ny havana akaiky taorian’ny fotoana tsy nahitana azy in­tsony, ny fiatombohan’ny herinandro teo. Efa eny am-pelatanan’izy ireo ny vatana mangatsiaka taorian’ny nampiakarana azy tao anaty rano, omaly.
Marihina, fatin-jazakely ihany koa, hitan’ny fokonolona teo amin’ny ranon’Ikopa teo Tanjombato, ny alarobia lasa teo. Nivoa-dra ny oron’io zaza io ary nahitana ratra ny faritry ny vatany. Matetika ahitana fatin’olona eo amin’ity ranon’ Ikopa mandalo ny tetezan’i Tanjombato ity tato ho ato. “Tsy azo lalovana ary tena ilaina fahamailoana ny mandalo amin’io faritra io rehefa alina”, hoy ny loharanom-baovao eny an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: