Maty voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana tao amin’ny kaominina Tsifota, distrikan’i Toliara II, ny 10 oktobra 2024 teo, ny miaramila iray kilasy faharoa, Narson Frédéric, avy ao amin’ny Bataillon d’infantérie Toliara. Noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny feny no nitarika ny fahafatesany na efa nentina haingana nihazo an’i Toliara aza. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa namita iraka tao amin’io kaominina io izy rehefa avy nahazo fampandrenesana momba ny fisiana vaky fasana, tamin’io alina io. Nidina nijery ny zava-misy niaraka tamin’ny fokonolona izy. Noho ny andro maizina, tsy nifankahita ny andaniny sy ny ankilany nandritra ny fifampitifirana izay niseho. Tao anatin’izany no nahavoatifitra ity miaramila ity. Lasa nitsoaka kosa ireo malaso taorian’ ny fanafihana. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity. Anisan’ireo faritra malaza ratsy amin’ny asan-dahalo iny faritra iny saingy manao izay ho afany hatrany ny mpitandro filaminana mpampandry tany amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy.
J.C