Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia maro ny ezaka ataon’ny mpitondra fanjakana ho an’ny sosialim-bahoaka. Tsy maharaka ny filan’ny mponina anefa ny tolotra homena, indrindra betsaka ny zary vonjitavanandro fotsiny. Natao hamonjena ny hamehana, hany ka tsy mahavaha ny tena marary. Tsara ny ezaka fa mbola
misimisy ny tokony hatao.
Ny manahirana ny mpanara-baovao dia misy ihany ny fitadiavam-bahaolana nefa tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy. Ny sasany dia mifono ketrika ambadika ihany. Tahaka ny fitadiavana tsenambarotra ka misy ampahany amin’ny tombontsoa manokana. Tsy izay anefa no tena andrasan-dRamalagasy, fa inona no vahaolana tena mahasahana ny fiainany?
Ny jiro sy rano ireny efa misy ny azo tsapain-tanana, saingy miandrandra ezaka misimisy kokoa ilay vahoaka. Misy faritra maromaro eto an-dRenivohitra tsy mbola nahitana kamiao sy ilay sinibe “bonbonne”. Mety taraiky noho ny lamina anatin’ny mpitsinjara ve sa ilay mponina mihitsy no miaingitraingitra? Misy ampahan’olona nanaovana fanadihadiana manko, milaza fa tsy hisotro ilay rano taterina fa tsy azo antoka ny fahadiovana sy ny maha ara-pahasalamana azy.
Izany no resahina dia ilazana fa manana olan-tserasera sy olam-piarahamonina ilay Malagasy. Tsy mahay mankasitraka, kanefa tsy mahay maka ny andraikitra manandrify azy ihany koa. Toe-tsaina tia miasa sy tsy miandry tolorana izany no tokony ho izy. Indrisy anefa, mbola lavitry ny afo ny kitay. Mivadika ho fifampiandrasana kendry tohina, hanakianana sy hamelezana ny andaniny sy ankilany sisa no misy.
Tsy misy mahavita tena fa tsy maintsy mifanampy sy mifanohana ny rehetra. Na inona na inona olana politika sy toekarena, ny lafiny sosialy kosa tsy vita raha tsy ifanankonana. Mila mifanolo-tanana sy mifanotrona ny rehetra fa taotrano tsy efan’ny irery io!
r.r