Vondron’orinasa Andriantsitohaina: nentanina amin’ny ady amin’ny homamiadana ny mpiasa

Anisan’ny andraikitra ara-tsosialy sy toekaren’ny vondrona Andriantsitohaina ny fahasalaman’ny mpiasa. Ho fanamarihana ny « Octobre Rose », nisy ny fanentanana momba ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny tranon-jaza , omaly.

Nampahafantarina ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina ny karazana fisorohana sy fahamailoana amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, omaly. Tanjona ny mba hahafahana mandray an-tanana haingana raha sanatria ka misy ny aretina. Nahaliana ny mpiara-miasa ny hetsika. Porofo izany ny fahatongavan’ny mpiasa ma­ro, miandahy miam-bavy. Liana tamin’ny fanentanana ny lehilahy izay nentanina manokana mba ho fiarovana ny vadiny.
Ho an’ny vehivavy, ilaina hatrany ny mitsapa nono matetika sy mijery ny toetry ny nono manoloana ny fitaratra. Tokony hanaitra raha toa ka mahatsapa fivontosana. Toraka izany ny fiovan’ny lokon’ny hoditra amin’ny nono na mivadika ny lohanono. Ilaina fandraisana fepetra haingana koa raha misy tsiranoka mivoaka kanefa tsy fotoana mampinono akory.
Manatona dokotera ary manao ny fitiliana “mammographie” raha miseho ny iray amin’ireo tranga hahafahana manomboka amin’ny fitsaboana.
Manaranaka ny homamiadana. Anisan’ny mahatonga ny homamiadan’ny nono koa saingy azo sorohana tanteraka ny fanaovana fanabeazana aizana mitohy tsy miova miohatra ny 5 taona… Ny fanaovana chimiothérapie sy radiothérapie kosa no fomba fitsaboana.
Areti-mifindra
Ho an’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, nilaza ny dokoteran’ny Ostie nanao fanentanana, tetsy Antanimena, fa areti-mifindra izany. Amin’ny alalan’ny firaisana tsy voaaro no hahazoana azy. Ny fanaovana kapoty irery ihany no fiarovana mahomby. Misy koa anefa ny vaksiny miaro amin’izany.
Anisan’ny mahatonga ny aretina ny firaisana ara-nofo aloha loatra na ny firaisana amin’ny olona maro. Ankoatra ireo ny fifohana sigara mihoapampana, mihoatra ny 15 isa isan’andro, ny fampiasana fanabeazana aizana mitohy maharitra…
Manomboka ny 25 taona dia tokony hanao fitiliana ny vehivavy mamantatra ny toe-tenany. Atao isaky ny 3 taona izany. Manao vaksiny kosa ireo ambany hery fiarovana, toy ireo mararin’ny tiberkilaozy sy ny mararin’ny VIH/Sida.

Tatiana A

Partager sur: