Tafiditra ao anatin’ny vahaolana hiatrehana ny tsy fahampian’ny herinaratra ny fananganana toby mpamokatra fanampiny eny Ambohimanambola, manana tanjaka 105 MW. Nijery ifotony ny fizotry ny asa fananganana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, ny 11 oktobra teo. Tokony ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2025 ny asa, saingy misy ny sakana, ka vinavinaina ho mialoha ny fiavian’ny maintany amin’io taona io izany.
Anisan’ny asa goavana ny fitaterana ny milina vaventy efa ao Toamasina, hoentina aty Antananarivo. Tsy maintsy karohina ny vahaolana satria mavesatra, milanja 70 taonina, ny iray, nefa tokony tsy mihoatra ny 40 taonina ny vesatra zakan’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Hisy, araka izany, ny lamina teknika iarahan’ny minisiteran’ny Angovo (MEH), sy ny Fitaterana (MTM), ary ny Asa vaventy (MTP).
Mahazaka solika 2 500 m3
Anisan’ny nojerena teny Ambohimanambola koa ny fitaovana sasany, toy ny toeram-pibaikoana teknika, ny fitahirizan-tsolika mahazaka 2 500 m3, ny fiantsonan’ny fiarabe, sns.
Hanampy ny famatsiana ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) izany. Mandeha amin’ny solika, menaka mavesatra (HFO), ity toby eny Ambohimanambola ity, ho tantanin’ny orinasa Jirama. Manatanteraka ny asa ny orinasa MMI sy ny Trigu Energy.
Njaka A.