Nambaran-dRandriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tany Maroc, fa handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina “Cosafa”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, i Madagasikara. Nilaza izy fa hiavaka kely ny amin’ity, hanafatra mpilalao mpilaravinahitra any ivelany ny federasiona mba hanamafy ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar.
Raha ny filazany, maro ireo vehivavy malagasy milalao amin’ny klioba goavana any Eoropa sy Afrika ary ao amin’ireo Nosy rahavavy. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “B” no misy ny ekipam-pirenena malagasy. Hifandimby hifanandrina amin’ny Barea sokajy vehivavy, mandritra izany, i Malawi, Botswana ary i Maurice.
Marihina fa hatao ao Gqeberha Port Elizabeth, Afrika Atsimo, ny 22 oktobra hatramin’ny 2 novambra ho avy izao ity fifanintsanana ity. Tsara ny mampahafantatra fa ireo voalohany isam-bondrona ihany no tafita amin’ ny dingana manasa-dalana. Ankoatra izay, tsy mbola nilaza ny anaran’ny mpanazatra ny Barea sokajy vehivavy ny lehiben’ny FMF.
Efa nandray anjara tamin’ ny «Cosafa» izay natao tany Afrika Atsimo i Madagasikara, tamin’ny taonn-dasa. Ratsy ny vokatra azon’izy ireo tamin’ izany: faharesena telo tamin’ ireo lalao telo no azon’ny Barea.
Fitia Randria