Hiverina hiakatra an-tsehatra, anio, any Maroc, indray ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny Scorpions Gambie. Hiankina amin’io lalao io ny hoavin’ny Barea amin’ny fandraisana anjara amin’ny “Can 2025”. Mitana ny laharana farany izy ireo hatreto.
Hotanterahina, anio, ao amin’ny Kianja El Abdi Maroc, ny lalao miverina hifandonan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, sy ny Scorpion de Gambie. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahefatra hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana afrikanina, “Can Maroc 2025”. Vonona tanteraka ny Malagasy raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, omaly.
Raha tsiahivina, nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta nandritra ny fifanandrinana mandroso. Tsara marihina fa tsy maintsy maka fandresena ny ekipa nasionaly malagasy amin’ity lalao ity. Manana isa roa ny Malagasy, laharana farany ao anaty vondrona «A». Mitovy isa amin’ny Barea ihany koa i Gambie, saingy manantombo amin’ny baolina tafiditra.
Mbola mihazona ny laharana roa voalohany hatrany, ao amin’ity sokajy “A” ity, i Tunisie, manana isa enina, sy i Comores, isa dimy. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’i Comores, 1 no ho 0, i Tunisie, ny zoma lasa teo, tany Tunisie. Rahampitso talata, any Côte d’Ivoire, no hanaovana ny fifandonana faharoa ho an’i Comores sy i Tunisie.
Nametraka fitoriana
Araka ny vaovao, omaly, avy any Maroc, nametraka fitoriana tany amin’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny Baolina kitra (Caf) ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, Randriamanampisoa Alfred, ny zoma lasa teo. Raha ny nambaran’ity lehiben’ny FMF ity, tokony ho nandresy tamin’ny isa 2 no ho 1 i Madagasikara saingy nolavin’ny mpitsara ongadey tany amin’ny ora farany izany. Taorian’ilay baolina tafiditra nefa, nanaiky ny mpitsara afovoany fa nahakobana ny harato ny Malagasy. Ankoatra izay, tonga any Maroc hijery sy hanohana ny Barea de Madagascar ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, Marson Moustapha Abdulah.
Fitia Randria