Mbola ambentin-dresaka hatramin’ny androany ny Barea de Madagascar. Hiaka-tsehatra indray ry zalahy, anio. Ho fantatra eo ny ho tohin’ny lalana na ho tratra ny tanjona na ho rendrika ny sambo. Be izay voalaza izay, mbola misy koa anefa ny sisa. Ka andeha atao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny intsony izao. Samy efa nandray lesona tamin’ny lasa avokoa ny tsirairay.
Mahaleova, mahalasana, fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto ary tsy misy sarotra tsy azo resena. Na eo aza izany, misy hatrany ny fositra mampiady ny angely. Manao ny an’ny tena ho ambany ary manandratra ny an’ny hafa ho ambony. Tsy ny fositra anefa no tsy ambolem-boa ho vanona. Atao zezika hiroboroboana aza ny fanenjehana. Mila manaporofo eo imasom-pahavalo ny Barea de Madagascar, anio, fa teo amin’ny tany nahalavoana no hiarenana. Lalina ny ady, azo toherina. Lalina ny rano azo lakanina, maizina ny andro azo tsilovina, raha tsy mety ny atao, azo ovaina.
Indray mandeha no mitanondrika fa tsy isan’andro. Ilaina ny mifampahery ka ilay vato mila hamingana anie ho katsanan’ny zoto ho foana sy lao. Ny sarotra te handavo adaraboky ny hotra vonon-kandresy, ka handresy amin’ny ady atao ny Barea de Madagascar, amin’ity anio ity. Hahatratra ny tanjona iriana dia ny haka ny isa 3 ary hahatody ny lalan-kizorana dia ny ho any amin’ny “Can 2025”.
Tsy an’olon-tokana ny Barea de Madagascar fa an’ny Malagasy rehetra na tia na tsy tia baolina kitra. Io no efa hita fa nampiray ny rehetra ka tsy ho atao tahaka ny dingadingan’ankady, sady iva no vasoka fa atao tahaka ny hasin’ Ambatomiatendro, sady avo no mandina. Alao hery àry fa tsy misy sarotra tsy azo resena.
Tompondaka