Nihaona tamin’ny filoha tale jeneralin’ny MSH, Mariana Wentworth, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely. Nidinika ny hanatsarana hatrany ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ny roa tonta. Zo fototra maha olona ny fahasalamana ka laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana.
Nampahatsiahy ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety ho an’ireo fiara tsy ahitana takelaka misy ny laharana kanefa hita mifamoivoy tsy an-tahotra eny amin’ny arabe. Voafaritry ny lalàna ny tsy maintsy hametahana azy ireny. Eo aloha sy ao aoriana no apetaka izany ho an’ny fiarakodia raha ao aoriana kosa ho an’ny kodiarandroa.
Maro ireo tolotra fampianarana efa miandry «habilitation» ary mbola vitsy ireo nahazo «accréditation». Narafitra ny tondrozotra hanomezana alalana mazava sy torolalana momba ny asa rehetra ilaina mba hahazoana ireo. Vinavina ny hanangana foibe iray mikarakara manokana ireo fankatoavana ireo.
Ao Antamponivinany Ambositra no hanatanterahina ny fanokafana ny Herinandron’ny fanaovam-baksiny faobe, anio. Ankoatra ny vaksiny, hisy koa ny karazana tolotra ara-pahasalamana toy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, fitiliana diabeta, fitiliana VIH/Sida, fijerena tosidra…